"Dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba
anao. " 1 Samoela 10:7b
1 Samoela 10:7b
Arahabaina isika rehetra nahavita soa ny fialan-tsasatra, ary mirary fankaherezana feno ho an’izao taom-pamokarana vaovao izay atrehintsika izao. Misy ilay fitenenana hoe: «Aide-toi, le ciel t’aidera»(Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany),na ny fahendren-drazantsika koa manao hoe:«Aza manao ariary zato am-pandriana».
Moa ve tena marina tokoa izany na dia tsy nalaina avy ao amin’ny Baiboly aza ?
1° Ny asa dia antso avy amin’Andriamanitra fa tsy vokatry ny fahalavoana :
Hatrany amin’ny saha Edena, talohan’ny fahotana aza, Andriamanitra dia efa nanankina ny fiasana sy ny fitandremana ny tany tamin’ny olombelona (Genesisy 2:15). Mariky ny fahatokisana sy fiantsoana handray anjara amin’ny fitohizan’ny fahariana izany. Ny fototry ny fahombiazana marina dia tsy miainga amin’ny fizakan-tenan’ny olombelona, fa amin’ny fahatakarana fa avy Aminy ny hery ary ho Azy no hanaovana ny asa rehetra (Kolosiana 3:23).
2°Rehefa hamasinin’Andriamanitra ny asa dia manjary fanehoana ny voninahiny :
Rehefa ankinina amin’ny Tompo ny fisasarana, dia miala ny vesatra rehetra ka manjary sehatra hisehoan’ny voninahiny (1 Korintiana 10:31). Ny mampiavaka ny kristianina amin’ny olon’izao tontolo izao dia tsy ny fiezahana fotsiny, fa ny faharesen-dahatra hoe Andriamanitra no manamasina sy manambina ny asan’ny tanana (Salamo 90:17). Na Jesosy Kristy tety an-tany aza dia niankina lalandava tamin’ny Ray tamin’ny alalan’ny vavaka teo am-panatanterahana ny iraka nampanaovina Azy (Jaona 5:19).
3° Avelao Andriamanitra hialoha lalana :
Ny fandrika lehibe sy fakan-panahy dia ny fialohavana lalana an’Andriamanitra, ny miasa amin’ny herin’ny tena fotsiny sy ny fitokisana amin’ny fahaizana samirery (Ohabolana 3:5-6). Rehefa Izy no avela hitarika, Izy no mampitombo hery ho an’izay reraka (Isaia 40:29-31) ary Izy no mamoha varavarana izay tsy misy maharindrina eo amin’ny asa aman-draharaha (Apokalypsy 3:8).
Mirosoa amin-toky amin’ity taom-pamokarana ity, ataovy amim-pahazotoana izay rehetra azon’ny tananao atao, satria ny Tompo no momba anao sy miantoka ny vokatra.
Ho tahian’Andriamanitra.
Pasteur Henintsoa Rasolonjatovo
