Edito du mois – Juillet/Août 2026​

  • Auteur/autrice de la publication :
  • Dernière modification de la publication :11/10/2026
  • Post category:Non classé
  • Commentaires de la publication :0 commentaire

Dia nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharany tamin’ny asany rehetra izay nataony tamin’ny famoronana.

Gen. 2:3

Pasteur Henintsoa Rasolonjatovo

Tonga indray ny fotoam-pialan-tsasatra. Ho an’ny maro dia fotoana ialana sasatra amin’ny asa sy ny adidy aman’andraikitra andavanandro izany. Tsy nataon’Andriamanitra ho fialan-tsiny amin’ny hakamoana anefa ny fitsaharana, fa fanomezana sy fotoana hanavaozana hery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy.

Voalohany dia mila fitsaharana ny asa. Andriamanitra mihitsy no nanome ohatra tamin’ny fitsaharana rehefa vita ny famoronana (Gen. 2:2–3). Midika izany fa ilaina ny mandamina tsara ny fotoana, mba hisian’ny fifandanjana eo amin’ny asa sy ny fitsaharana. Ny fialan-tsasatra dia fotoana hamelombelomana ny tenantsika: ara-panahy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka (Mar.6:31), ara-tsaina amin’ny fampitsaharana ny adin-tsaina, ary ara-batana amin’ny famerenana hery.

Faharoa dia fotoana hanaovana tomban’ezaka ihany koa ny fitsaharana. Rehefa vita ny famoronana dia « hitan’Andriamanitra fa tsara » ny zavatra nataony (Gen. 1:31). Etsy ankilany, hitany koa izay mila fanitsiana rehefa nilaza Izy hoe: « Tsy tsara raha irery ralehilahy » (Gen. 2:18). Toy izany koa isika: ny fotoam-pialan-tsasatra dia fotoana hijerena izay efa vitantsika, hisaorana an’Andriamanitra noho ny zava-tsoa sarobidy azontsika, ary handinihana izay tokony hatsaraina eo amin’ny fiainana sy ny fifandraisana amin’ny hafa ary amin’Andriamanitra.

Farany, ny tena fitsaharana dia ny fiadanam-po ao amin’I Jesosy Kristy. Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia mampianatra fa mbola misy « fitsaharana » voatahiry ho an’ny olon’Andriamanitra, ary asaina isika hiditra amin’izany (Heb. 4:9–11). Tsy voafetra amin’ny fialan-tsasatra ara-batana izany, fa fiainana ao anatin’ny fitokiana sy ny fiadanana omen’i Kristy. Ao amin’I Jesosy ny famelan-keloka efa nomanin’Andriamanitra ho antsika hanafaka ami’ny fanamelohan-tena. Jesosy mihitsy no milaza hoe: 

« Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Mat. 11:28–29).

Koa enga anie izao fotoam-pialan-tsasatra izao tsy ho fotoana hialana amin’ny asa ihany, fa ho fotoana hifandraisana lalindalina kokoa amin’Andriamanitra, hanaovana tomban’ezaka, ary hidirana amin’ilay fitsaharana marina izay omen’ny Tompo irery ihany dia ny fiadanana nampanantenainy.

Ho tahian’Andriamanitra.

Laisser un commentaire